Baolina lavalava : Norbert Razafimbelo, filoha vaovaon’ny ligin’Analamanga

Date:

norbert rugby

Lany filohan’ny ligin’Analamanga andriamatoa Norbert Razafimbelo rehefa nahazo isam-bato 2 tamin’ireo mpifidy 3. Omaly no notontosaina tetsy amin’ny foiben’ny komity olympika malagasy ny fifidianana. Roa no kandida nilatsaka ka 1 no vato azon’ny mpifaninana taminy dia Herisoa Philippe Olivier izany. Sektiona 3 ihany no nifidy dia sektiona Andrefan’Iarivo, Avaradrano ary Atsimondrano, ny sektiona Antananarivo renivohitra dia tsy afaka nifidy noho ny tsy mbola nahazoan’ny sekretera jeneraliny taratasy ara-dalàna.

Feno ny fepetra rehetra nahafahana nanatanteraka ny fifidianana hoy ny mpikarakara, tsy nanatrika  izany nefa ny ministeran’ny Fanatanjahantena izay tokony hanome fankatoavana ny fahalanian’ity filoha vaovao ity. Araka ny teny filamatra noraisin’ingahy Norbert Razafimbelo dia ny hampivondrona ho iray ny mpiantsehatra rehetra eo anivon’ity taranja ity no tanjony ka niantso ny rehetra izy hiara-hiasa hahatongavana amin’izany, anisan’izany ny filohan’ny ligin’Analamanga teo aloha, Andry La Pie Ravelojaona.

norbert rugb
Komity nikarakara ny fifidianana.

Raha ankatoavin’ny ministera moa izany ity fifidianana ity dia mifarana hatreo ny fitantanana vonjimaika ny ligy izay nataon’ny filohany teo aloha. Ny mpikarakara ny fifidianana dia efa nilaza fa handefa ny fitanana an-tsoratra rehetra any amin’ny ministera sy ny Komity olympika malagasy ary ny Malagasy Rugby. Ny filohan’ny Malagasy Rygby, Marcel Rakotomalala, moa dia nanamarika ihany koa fa mila miara-miasa daholo ny mpiantsehatra eo taranja baolina lavalava mba hamerenana ny hasiny. Noho ny disadisa sy ny fisaratsarahana izay niseho lany teo aloha teo mantsy dia tena narisarisa ny taranja ary ny fikarakarana lalao aza dia samy nanana ny azy, indrindra ny teto Analamanga.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Basketball 3×3 : la jeunesse malgache à l’épreuve du Challenger de Hengqin

L’équipe d’Antananarivo prendra part au FIBA 3×3 Hengqin Challenger...

Hisser le « Vert-Blanc-Rouge » sur le toit du monde : Le rêve himalayen de Raïs Bouka

Atteindre le sommet du monde, culminant à 8 848,86...

Rugby Festival AROI 2026 : Madagascar réalise un sans-faute à domicile

Antananarivo a accueilli, les 3 et 4 avril, le...