Tratra ny lehilahy iray mpanondrana vehivavy mankany Chine

Date:

mpanondrana chine1
Fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena ao Anosy.

Tsy mijanona ny fitoriana voarain’ny Polisy momba ny tovovavy malagasy izay miondrana any Chine mba hanambady Sinoa. Vao tamin’ny alarobia 15 novambra no nisy Ray aman-dreny nametraka fitoriana momba izany ka nilaza fa rehefa niteraka amin’ity Sinoa vadiny ilay tovovavy dia hampijaliany avy eo ka mety hiafara amin’ny fahafatesana.  Mijaly ireto Ray aman-dreny mieritreritra ny manjo ireo zanany lasa any ka tsy mahatombona ary tsy mahafantatra ny tokony hataony afa-tsy ny fitoriana.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy avy eo anivon’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées na (SCES) dia lehilahy iray no voasambotrany tao an-tranony teny Ambohimirary. Mbola nahitana vehivavy roa tao an-tranony efa vonona ny handeha ho any Chine. Nandritra ny famotorana azy dia niaiky izy fa mpiray ombon’antoka amin’ilay tena mpandefa ireto vehivavy Malagasy ireto izay monina any Chine. Marihana fa mbola mampiasa hosoka ireo mpanondrana amin’ny alalan’ny fampiakarana ny taonan’ireo tovovavy alefa. Raha vehivavy 18 taona dia ataon’izy ireo 24 taona.

Tsara ho fantatra fa maro ireo tambazotra eto Madagasikara manao io asa famarotana zazavavy Malagasy mankany Chine io, ary efa misy vehivavy Malagasy mpandefa sy mpandray ireo amidy rehefa tonga any an-toerana. Io farany no mandray ny vola izay alefan’ny mpandray ireo vehivavy ireo ka mahatratra aman-tapitrisany ny vola azony amin’izany. Efa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Un DJ malgache fait vibrer 40 000 spectateurs à Paris La Défense Arena

Le 10 avril dernier, un cap symbolique a été...

La Troupe Jeannette : aux origines du théâtre classique malgache

Le théâtre fait partie intégrante de la culture malgache....

Koban à Tokyo : un modèle que Madagascar pourrait suivre

À Tokyo, perdre son téléphone ou son portefeuille ne...

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...