Fanakatonana ny fadin-tseranana ao Toamasina : Hanaovana fahirano an’Antananarivo ?

Date:

douane

Hatramin’ny alatsinainy dia efa nivory ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana miantso ny mpiasa rehetra hanao fitokonana. Fanapahan-kevitra izay tsy nankasitrahan’ny ampahan’ny mpiasa noho ny fahitan’izy ireo fa « tsy fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena ny fanakatonana ny fadin-tseranana ».

Iaraha-mahalala rahateo ny olana natrehan’ireo mpandraharaha ara-toekarena izay tsy afaka namoaka entana tamin’iny volana iny noho ny fikatsoan’ireo kaontenera be dia be ao amin’ny seranan-tsambo. Misy ny kaontenera tsy misy entana izay mibahana ny toerana tokony hasiana ireo kaontenera mitondra entana vaovao ka mahatonga ny olana, fa eo koa ny fitaovana ampiasain’ny MICTSL izay tokony havaozina sy hampiana mba hanamora ny famoahana entana.

Ka raha izany hoy ireo mpiasa sasany no mbola hampiana fitokonana dia ny toekarem-pirenena mihitsy no hakatso sy tiana hikatso noho ny resaka politika. Androany maraina dia nikatona tokoa ny birao tany Toamasina fa nanomboka ny tolakandro dia efa niverina nandray ny asany ireo mpiasa ka afaka nanohy ny asa.

Rehefa dinihana izany zava-misy izany dia mazava ny tiana hatao ny hanao fahirano ny mponina eto Madagasikara. Rehefa tsy miasa ny fadi-tseranana dia hanafina entana ny mpamongady, avy eo asondrony midangana be izay entana avoakany, indrindra ireo sakafo ilaina andavanandro (PPN). Ho tezitra ny vahoaka ka hikontana izay tsy izy ny isam-pokontany, ny faritra ary ny firenena manontolo. Izany ve no tena fikatsahana ny tombontsoa sy FIOVANA kasain’ireo depiote mpitari-tolona hatao izany ?

Antsoina hiresaka sy hifanaraka nefa mandà sy miavonavona satria mihevi-tena fa mandroso ny tolona. Tsy mila mpanelanelana vahiny hoy ry zareo raha tonga teto ny solontenan’ny SADC, teo koa ny OIF tamin’ny alalan-dramatoa Michaelle Jean. Dia niantso indray ny FFKM, izay mpitondra fivavahana malagasy, fa mbola tsy nisy tonga ihany izy ireo. Finiavana tsy hitady izay hampiravona ny olana fa hampiditra ny firenena amin’ny kizo sy krizy vaovao indray izany.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À Antanimena, les femmes prennent les clés du garage avec Méca Mama

À Antanimena, on trouve l’enseigne Méca Mama Madagascar avec...

Cacao de Madagascar : l’identité unique d’un grand terroir

Le secteur cacaoyer à Madagascar connaît une transformation économique...

Trafic, réhabilitation, liberté : à Mangily Toliara, le combat silencieux pour sauver les lémuriens

Les images de capture d'animaux sauvages font régulièrement le...

Jeu vidéo : Kalanoro est le premier jeu vidéo malgache à être lancé sur le marché international

Le jeu vidéo Kalanoro est le premier projet entièrement...