« Héroïne » 1 kilao nafenina tao anaty baoritra feno paty

Date:

rongony presto

Lehilahy telo nitondra rongony mahery vaika, héroïne, no tratran’ny zandary teny Mahitsy ny volana lasa teo. Tanzaniana no tompon’ny entana ary malagasy no saika handray azy, ny mpamilin’ny taksiborosy kosa no olona fahatelo voarohirohy. Nafenina tao anaty baoritra misy fonosana  paty « presto » ilay sachet misy ny rongony milanja 1kilao kanefa hitan’ny zandary nandritra ny fisavana araka ny fanoroan’ny loharanom-baovao iray.

Saika halefa any Antsiranana ny entana araka ny fanazavana azo ka nahatonga ny zandary nidina tany an-toerana nisambotra ilay lehilahy saika hividy azy. Ilay teratany tanzaniana kosa teo am-pandraisana fiaramanidina hihazo an’Antsiranana no tratra ny ampitson’ny nahasamborana ilay mpamilin’ny taksiborosy. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy telolahy saingy nahemotra indray izany noho ny tsy fahampian’ny taratasy niampangàna azy ireo.

Zava-mahadomelina mahery vaika ny héroïne ary ny saina avy hatrany no simbainy voalohany rehefa mifoka na mitsindrona azy ny olona iray. Mahazo fahafinaretana sy filaminana ny saina sy ny fo rehefa mandray azy fa mandalo izany, ny vatana kosa dia malemilemy ary misy aza ny olona tsy tompon’ny tenany rehefa mihinana azy. Miteraka fiankinandoha tanteraka ary matetika tsy mahavita miasa intsony ny olona rehefa zatra azy fa lasa mangataka sy mitady vola mba hitsindromana azy. Voararan’ny lalàna araka izany ny fivarotana sy fandraisana ity zava-mahadomelina ity.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...

Madagascar : le système des Nations unies aligne ses actions sur les priorités nationales en 2025

Le système des Nations Unies (SNU) à Madagascar a...

Le piment : le secret brûlant de la cuisine thaïlandaise

Si la cuisine thaïlandaise est mondialement célèbre, c’est avant...

Jeunesse malgache : le défi de l’emploi dans un marché saturé

Chaque année, ils sont plus de 500 000 à...