Toamasina : Jiolahy roa maty voatifitra sy mpanendaka 16 voasambotry ny polisy avy amin’ny “FIP” sy ny “UIR”

Date:

maty3

Tsy an-kitsitsy. Miasa andro aman’alina mba hitandroana ny  filaminam-bahoaka ny polisy miasa avy ao Toamasina. Tsy miasa irery nefa izy ireo fa misy fiaraha-miasa avy amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo olona efa nodarohan’ireo mpanendaka satria sahy namaly azy. Isan’ny faritra tena mena amin’ny fanaovan’ireo mpanendaka sy mpangaro-paosy ary ireo mpanao sinto-mahery ny eny amoron-dranomansina izay sady mbola be mpiala sasatra, hany ka betsaka ireo tovolahy izay sady mifoka rongony no mamafy tsy filaminam-bahoaka. Ny faran’ny herinandro teo ary dia niisa 16 ireo tovolahy tratran’ny polisy avy ao amin’ny FIP (Forces d’intervention de la Police) niaraka tamin’ny rongony sady nanendaka. Tsy hitsahatra ny hetsika toy izao hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules raha tsy milamina ny moron-dranomasina.

maty1

Ho an’ny polisy ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) indray dia mitohy koa ny fanenjehany ireo mpanendaka eny amin’ny fokontany eny, ka isany arahan’izy ireo maso ireo faritra maizina noho tsy fisian’ny takamoa amin’ny andrin-jiro toy ny eo amin’ny bazary may Ankirihiry. Ny alahady alina nifoha ny alatsinainy tokony misasak’alina teo dia nifanehatra tamina mpanendaka ny polisy, raikitra ny fifanenjehana. Vokany dia nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo polisy rehefa tsy nijanona fa nandositra ireo jiolahy, maty voatifitra tamin’izany ny roa izay voalaza fa isan’ny sefon’ireo mpanendaka eo amin’ity bazary may ity sady anisan’ny namaky trano tao Andranomadio ihany koa. Tao anatin’ny herinandro izany dia efa niisa efatra ireo andian-jiolahy mpanendaka voatifitry ny polisy, izay mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be ny iray naratra mafy. Niisa 29 izany ireo voasambotra, ka ny 24 teny amoron-dranomasina, ary tany Mangarano sy Ankirihiry ny dimy.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À Antanimena, les femmes prennent les clés du garage avec Méca Mama

À Antanimena, on trouve l’enseigne Méca Mama Madagascar avec...

Cacao de Madagascar : l’identité unique d’un grand terroir

Le secteur cacaoyer à Madagascar connaît une transformation économique...

Trafic, réhabilitation, liberté : à Mangily Toliara, le combat silencieux pour sauver les lémuriens

Les images de capture d'animaux sauvages font régulièrement le...

Jeu vidéo : Kalanoro est le premier jeu vidéo malgache à être lancé sur le marché international

Le jeu vidéo Kalanoro est le premier projet entièrement...