Mila vonjy sy fanampiana i Fanaiky Rasolomahatratra fa marary mafy

Date:

Fanaiky-eyelovioo
Photo : Eyelovioo

Tsy zoviana amin’ny maro ny fahaizana sy talenta ananan’i Fanaiky amin’ny fitendrena gitara basy, ary tena azo lazaina ho andrarezina amin’ity sehatra ity ny tenany. Efa saika niara-niasa taminy avokoa ny mpanakanto ary ny tena nampiavaka azy dia izy sy ny rahalahiny izay niara-nanangana ny tarika Solomiral. Tarika izay nahitana fa mahay ary mana-talenta izy mirahakahy avy amin’ny fihirana sy ny fitendrena.

Tojo tsy fahasalamana i Fanaiky ankehitriny ary manao antso avo ho an’izay afaka manampy azy. Tratran’ny aretin’ny voa izy ka mila soloina ny voany, « transplantation », mahatratra 20 000 euros ny fandidiana fotsiny fa mbola eo koa ny saran’ny fiaramanidina, ny trano ivantanana sy ny fandaniana hafa.

fanaiky

Miantso ireo malala-tanàna sy tsara sitrapo rehetra araka izany ireo rahalahiny  mba hitondra izay voatsirambin’ny tanàna ho fanampiana an’ity mpitendry ikoizana ity. Koa izay afaka hanao izany dia afaka miantso ny 032 07 904 56.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

TVM à Madagascar : Plus que 36 jours avant l’échéance, la grogne des automobilistes s’intensifie

Les propriétaires de véhicules à Madagascar n'ont plus que...

PLFR 2026 : une taxation ciblée de 5,5 % pour le riz de luxe importé

Le Projet de Loi de Finances Rectificative (PLFR) 2026...