Varotra fiara anaty facebook : Saika nafoy ny Audi Q5 vokatry ny sheky sandoka

Date:

audi q5 2

Nanao filazàna varotra fiara tanaty vondrona fivarotana iray tao anaty Facebook ny lehilahy iray. AUDI Q5 ny fiara ary nisy ny liana avy hatrany tamin’ny fividianana azy. Tovovavy no niantso hoe te hividy ilay fiara sady hiady varotra. Natao ny fotoana ka roa vavy izy ireo no tonga teo amin’ny toerana nifanarahana, Analakely. Mbola tanora tokoa satria vao 24 taona monja i F., raikitra ho 95 tapitrisa ariary ny fiara rehefa vita ny asy varotra farany.  Nanao taratasim-bola ary izy nony hanome ny vola, tsy nanaiky nefa ilay mpivarotra fa nanahy hoe sao dia sheky tsy misy vola akory io.

audi q5 1

Tsy nisalasala ny tovovavy fa nilaza hoe andao ary hiaraka any amin’ny banky haka ilay vola ka izy sy ilay tovolahy no hankao amin’ny banky fa ilay tovovavy anankiray no miandry ao anaty fiara ka omena azy ny fanalahidy sy ny taratasy ary ny lakilen’ny fiara. Rehefa tonga teo amin’ny banky nefa dia nanjavona ny tovovavy, nitady azy eraky ny birao ilay tovolahy fa tsy fantany hoe lasa aiza izy. Rehefa nasehony ireo mpiasa tao amin’ny banky ny sheky dia nambaran’izy ireo fa sheky hosoka ilay nomena azy. Ny fiara izay nijanona tany ivelany koa efa nanjavona tsy teo amin’ny toerany intsony.

audi q5

Nametraka fitoriana sy filazàna fahaverezana avy hatrany tany amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faha dimy ilay tovolahy. Niainga ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra ka dia tratra teny Iavoloha teny an-tranony ireto tovovavy niaraka tamin’ilay fiara sy ny momba azy rehetra.  Ny adiresy tamin’ireo taratasim-bola no nanampy be ny polisy ka nahitana azy ireto haingana, ary mbola hita tao ihany koa ny taratasy hosoka maro sy ody gasy. Raha ny filazan’ny polisy dia efa niaiky ny heloka vitany izy mirahavavy.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...

Madagascar : le système des Nations unies aligne ses actions sur les priorités nationales en 2025

Le système des Nations Unies (SNU) à Madagascar a...

Le piment : le secret brûlant de la cuisine thaïlandaise

Si la cuisine thaïlandaise est mondialement célèbre, c’est avant...

Jeunesse malgache : le défi de l’emploi dans un marché saturé

Chaque année, ils sont plus de 500 000 à...