Tovolahy iray nandoro ny nandoro ny efitrano fitsarana noho ny fahatezerana

Date:

ilay tovolahy 23 taona nanao ny heloka (5)

Omaly talata tamin’ny 9ora sy 15min, tovolahy iray 23 taona indray no tratra ambodiomby nandoro ny efitranom-pitsarana sy ny sainam-pirenena tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Hatramin’izay dia resaka fahatrarana mpanera misoloky ireo olona mpanan-draharaha indrindra ireo avy any ambanivohitra no mateti-pitranga, tahaka ireo roa lahy tratra nisandoka ho mpisolovava efa mifonja ao Ambalatavoahangy farany teo.

ilay tovolahy 23 taona nanao ny heloka (1)

Fitsarana hahemotra lava

Ho fanatsarana sy fanafainganana ny raharaham-pitsarana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia mindrana efitranom-pitsarana amin’ny fitsarana ambony izy ireo hahafahana mitsara ireo raharaha maro be voarain’izy ireo ara-keloka sy ara-mpitsarana madio. Ny marainan’ny talata teo raha ny fandaharam-potoan’ny fitsarana dia tokony hiakatra fitsarana ity raharaha na tovolahy iray noho ny halatra ity, saingy nahemotry ny fitsarana izany. Tezitra tamin’io tranga na fanemoran-dava ny fitsarana ny namany io, izay nambarany fa noho endrikendrika io ity tovolahy 23 taona ity, ka izao nandoro ny efitram-pitsarana faharoa ny fitsarana ambony izao no nanehoany ny alahelony sy ny fahasosorany amin’ny fitsarana. Nefa matoa ahemotra ny valim-pitsaràna dia misy antony fa tsy azo teren-ko masaka toa voalobo-jaza.

“Tsy manenina” izy tamin’ny nataony

Avy hatrany dia tonga nijery ny zava-nisy ny polisy, ny filoha sy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ny fitsarana ambony. Tamin’izany no nahalalana fa ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ny sainam-pirenena eo anivon’ny efitranom-pitsarana no may. Milaza ny tsy nanenina sy tsy matahotra ho fonjaina ny tenany nandritra ny fisamborana azy. Avy hatrany dia nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny polisy ity tovolahy 23 taona ity, raha vita avokoa ny fakana ny porofo rehetra. Raha ny fantatra dia ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ny fitsarana ambony no mpitory, ka “ny fandorona efitram-pitsarana ambony”, “ny fanimbazimbana mpitsara”, “ny fandoroana sainam-pirenena”, ny heloka nitorian’ny fitsarana azy amin’izao raharaha izao.

ilay efitranom-pitsarana faharoa nitrangan'ilay fandorana (2) (1)

Raha ny fantatra dia nahemotra avokoa ireo antontan-taratasin’ady rehetra tokony ho tsaraina sy namoahana didy tao amin’ny efitranom-pitsarana ity. Ankoatra izay dia anio ihany dia hiakatra eo anivon’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ity tovolahy nandoro efitranom-pitsarana faharoa ny fitsarana ambony ity. Fa tokony hieritreritra ihany koa ny tompon’andraikitra amin’izao raharaha izao mba hanafaingana kokoa ny raharaham-pitsarana ka tsy hisian’ny fahatezerana sy ny fahadisoam-panantenana.

MH – Tefy

 

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Un DJ malgache fait vibrer 40 000 spectateurs à Paris La Défense Arena

Le 10 avril dernier, un cap symbolique a été...

La Troupe Jeannette : aux origines du théâtre classique malgache

Le théâtre fait partie intégrante de la culture malgache....

Koban à Tokyo : un modèle que Madagascar pourrait suivre

À Tokyo, perdre son téléphone ou son portefeuille ne...

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...