Fanelezana tsaho momba ny pesta tao amin’ny Facebook : tovolahy iray nidoboka eny Antanimora

Date:

tovolahy

Tovolahy iray, skoto,  24 taona no voasambotry ny Polisy avy eo anivon’ny sampana heloka bevava sakelika fahatelo etsy Anosy noho ny fanelezana vaovao tsy marina mahakasika ilay resaka vaksiny fanefitry ny pesta ka niteraka savorovoro teto Antananarivo ny Alakamisy lasa teo. Niaiky ny heloka vitany ity tovolahy ity ary nambarany fa tranga noforonina nampiany izay hitany tetsy sy teroa no natambany ka navoakany mba hanaitra ny olona fotsiny ihany.  Niala tsiny tamin’ireo ray aman-dreny nitebiteby vokatry ny zavatra tsy marina navoakany ity tovolahy ity nadritra ny fakana am-bavany azy teny amin’ny Polisy.

Marihina fa niteraka savorovoro sy horohoro teo amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra teto an-drenivohitra ity tsaho naparitaka ity. Raha tsiahivina nisy vaovao nivoaka izay milaza fa misy mpitandro ny filaminana sy mpitsabo avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamana mitety sekoly sy manindrona ireo mpianatra. Vao naheno izany ireo ray aman-dreny dia nirohotra naka an-janany tany an-tsekoly. Voatery noravana mialoha ny mpianatra tany amin’ireo sekoly sasany noho izany. Nisy mihitsy aza moa ny feo niely fa nisy ankizy namoy ny ainy sy nampidirina hopitaly haingana noho io vaksiny izay tsy misy akory io.

Mbola mampitandrina hatrany ny mpitandro ny filaminana manoloana ireo mpikirakira ny tambazotra sosialy izay minia manaparitaka vaovao  sy mampisavorovoro ny saim-bahoaka.

Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ity tovolahy voasambotra ity miandry ny fitsarana azy.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Toamasina : La Fondation HV au chevet de SOS Villages d’Enfants après le cyclone Gezani

Face aux dégâts causés par les intempéries et aux...

Basketball 3×3 : la jeunesse malgache à l’épreuve du Challenger de Hengqin

L’équipe d’Antananarivo prendra part au FIBA 3×3 Hengqin Challenger...

Hisser le « Vert-Blanc-Rouge » sur le toit du monde : Le rêve himalayen de Raïs Bouka

Atteindre le sommet du monde, culminant à 8 848,86...

Rugby Festival AROI 2026 : Madagascar réalise un sans-faute à domicile

Antananarivo a accueilli, les 3 et 4 avril, le...