
Andrisoa Taratra Rakotoninosy, 32 taona izy amin’izao ary vao avy voahosotra ny tompondaka lefitra eran-tany amin’ny « tir de précision » eo amin’ny taranja tsipy kanety be. Araho àry ny resadresaka nifanaovana taminy.
Mbola kely dia efa nilalao tsipy kanety be.
Efa tia fanatanjahantena hatramin’ny fahakeliny i Taratra saingy nanatombo kokoa teo amin’ny tsipy kanety be. Nanomboka teo amin’ny faha 9 taonany izy no nilalao io taranja io tany Ambatolampy, toerana nahaterahany, ary io no isan’ny nahatafavoaka azy ivelan’i Madagasikara hoy izy. Dimy mianadahy izy ireo ary samy milalao tsipy kanety be avokoa. Nanomboka tamin’ny taona 2005 no nilalao teo amin’ny sehatra nasionaly i Taratra Rakotoninosy ary voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara niaraka tamin’i Rova sy Daddy tami’ny taona 2010. Io taona io ihany koa no nahavoaantso azy voalohany handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

Fahatsiarovana.
Isan’ireo fahatsiarovana tsara indrindra ho an’i Taratra tao anatin’ny filalaovana ny tsipy kanety be ny nahavoahosotra azy ho tompon-dakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy « tête à tête » tamin’ny taona 2012. Nofy ratsy sady isan’ireo nampalahelo azy kosa ny famaranana ny tompon-daka eran-tany teo amin’ny « tir de précision » izay natao tany Canada farany teo ka niondrehany teo anatrehan’ilay frantsay Dylan Rocher. « Fahatsiarovana ratsy indrindra ho ahy ilay famaranana nangalarana teo iny » hoy izy tsy nanafina ny alahelony. Tsiahivina fa tifitra in-droa nataon’i Taratra no nolavin’ny mpitsara. Maro ireo mpankafy tsipy kanety be maneran-tany no nanakiana io fihetsik’ilay mpitsara kanadiana nitsara io lalao io.
« Tsy nomena karatra mihitsy i Dylan na dia « mordu » aza kanefa dia nanome karatra ho ahy avy hatrany ny mpitsara raha vao « mordu » aho. Avy eo dia nolazaina indray fa nihoatra ny fotoana tokony hitifirako ary dia niovaova toy izany ny fanazavana nomen’ireo mpitsara » hoy hatrany i Taratra mitantara ny zavatra niainanny nandritra iny famaranana iny.
Tanjona tratrarin’i Taratra manaraka ny handrombaka ny amboara eran-tany araka ny nambarany.
Mirary soa ho an’i Taratra Rakotoninosy !

