Tsy manana fahefàna hivarotra ny fananan’ny Kaominina amin’olon-tsotra ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly

Date:

ceg anala2

Nivoaka tamin’ny tambanjotra sosialy ity taratasy mampiseho fa namidin’ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly fahizany tamin-dramatoa Razaiarimanga Marie Meltine ny ampahan’ny tanin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, mirefy 4127 m2, ao anatin’ilay tany mitondra ny anarana hoe : Antsonjombe Commune, tamin’ny taona 1998. Ramatoa Razaiarimanga dia ilay nifanaiky tamin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa hanao ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny CEG Analamahitsy afindra toerana. Namoaka koa ny tao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany,  tamin’ny « certificat de situation juridique » nalaina ny 22 jona, fa misoratra amin’io ramatoa voalaza io ny tany TN 74 810 A. Raha ny « certificat de situation juridique » nalain’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny 10 jolay dia ny tany manontolo mitondra ny anarana hoe Antsonjombe Commune no navoaka ka nilazany fa an’ny Kaominina ilay tany mitondra ny laharana TN 24 124 A. Fa ilay ampahantany eo ambony tsy voalaza tao.

ceg analamahitsy

Voalazan-dramatoa #Lalatiana_Ravololomanana, tompon’andraikitra tao amin’ny fitantanana ny Kaominina niaraka tamin’ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy, tamin’izany fotoana izany, fa « tsy manana fahefana hivarotra tany amin’olon-tsotra ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly fa ny mpanatanteraka ihany no manana izany ary na hisy aza izany dia tsy maintsy nandalo « délibération » tao amin’ny filan-kevitra monisipaly fa tsy azo atao any ambadika any raha fananan’ny kaominina ny tany ». Tokony hananan’ny kaominina rahateo ny fandraiketana an-tsoratra ny fandanian’ny Filan-kevitra monisipaly izany fifampivarotana izany izay nisy daty mazava hoe tamin’ny  10 jona 1998 raha tena marina io taratasy io. Noho izany na hosoka sy sandoka itony taratasy itony na natao an-tsokosoko tany ambadika tany tsy nampahafantarina ny ben’ny tanàna tamin’izany. Tany roa hafa an’ny kaominina izay hita eny Avaradoha sy Ankadikely Ilafy koa amin’izao no ahitana olana toy ity hita eny Analamahitsy ity.

Araka ny fanapahan-kevitry ny roa tonta moa, izany hoe ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia foanana ny asa famindràna ny fotodrafitrasa saika hatao noho ny resaka tsy mazava hoe : an’iza marina ny tany sy ny tsy fanarahana ny « procédure » tamin’ny fanaovana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa nisy teo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Tranga nisintomana lesona lehibe mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitakiana ny mangaraharaha amin’ny fifanarahana eo amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina ity raharaha mahakasika ny CEG Analamahitsy ity sady endrika isehoan’ny kolikoly sy ny kiantranontrano eto Antananarivo sy manerana an’i Madagasikara ka tokony havoaka matetika mba tsy hisian’ny fanodinkodinana ambadika ny fananam-panjakana ho lasan’olon-tsotra tsy nandalo fankatoavana na fandinihana tsara. Tokony handraisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly andraikitra ny toy izao mba tsy hisian’ny fivarotana an-tsokosoko ny fananam-bahoaka na fanaovana hosoka taratasy.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...

Madagascar : le système des Nations unies aligne ses actions sur les priorités nationales en 2025

Le système des Nations Unies (SNU) à Madagascar a...

Le piment : le secret brûlant de la cuisine thaïlandaise

Si la cuisine thaïlandaise est mondialement célèbre, c’est avant...

Jeunesse malgache : le défi de l’emploi dans un marché saturé

Chaque année, ils sont plus de 500 000 à...