BIANCO : Efa eny amin’ny « Chaine pénale » avokoa ireo dosie momba ny andramena

Date:

bois-de-rose.jpg

Tsy manana antontan-taratasy mikasika ny fanondranana Andramena an-tsokosoko intsony ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly hoy ny Tale jeneraliny Jean Louis Andriamifidy. Efa nalefa eny amin’ny « chaîne pénale » avokoa ireo dosie rehetra mikasika io raharaha io.

Taorian’ny famoahan’ny Transparency International ny tatitra momba ny raharaha Andramena tamin’ny 17 aogositra mantsy dia niverina indray ny adihevitra momba ity raharaha ity. Nilaza mantsy ity fikambanana iraisam-pirenena ity fa samy nanondrana io hazo sarobidy io daholo ireo filoha teo aloha izay lasa kandida amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany hatramin’izao hoy izy ireo.

Ho an’ny Bianco dia milaza ho tsy mahalala na inona na inona momba ity resaka navoakan’ny Transarency International ity izy ireo.  Tsiahivina fa taorian’ny famoahana ity tatitra ity dia nitaky ny hanilihana ireo kandida telo dia i Hery Rajaonarimampianina, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina ny Alliance Voahary Gasy sy ny Transparency International. Nolazaina fa namotika ny firenena ireo mpitondra telo ireo satria namela ny fanapahana ny hazo sarobidy sy ny fandripahana ny ala teto Madagasikara. Na eo aza izany fangatahana izany dia ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ihany no manana ny teny farany amin’ny fanilihana na fitazomana ny kandida iray ao anatin’ny hazakazaka ho filoham-pirenena.

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À l’EPP Ankorondrano, 550 élèves font leur rentrée avec de nouveaux cartables

Dès le début de la matinée, la cour de...

Fasan’ny Karàna : deux décisions ministérielles qui sèment la confusion

Le soulagement aura été de courte durée pour les...

Tsitakakantsa, le géant d’Andombiry face à ses dernières saisons

Dans la forêt d’Andombiry, au sud-ouest de Madagascar, un...