Fipoahana teny amin’ny JIRAMA Ambohimanambola : Tsara levenana i Maurice sy Berthin

Date:

 

ramarolahy maurice

Rafaralahy Maurice sy Randrianasolo Charles Berthin, « chef de chantier » sy « soudeur homologué » tao amin’ny orinasa OTI (Ouvrages et Travaux industriels), maty nandritra ny fipoahan’ny toby fitehirizana menaka mavesatra teny Ambohimanambola. Teo am-panaovana asa teo amin’io toerana io izy ireo sy ny mpiara-miasa aminy no niseho ny loza ka niteraka ny fahafatesan’izy roalahy, ny iray maty teo fa ny iray tany amin’ny hopitaly, nisy koa ireo olona 6 hafa naratra nandritra io voina io. Tsy nisy nanam-po na inona na inona fa tampoka be ny nitrangàn’ny loza.

 

oti 3 (1)
Mbola nandrasana tao an-tanàna ny razana izay vao nasitrika.

Samy avy amin’iny faritra atsinanana iny izy mirahalahy ireto, ny iray avy any Brickaville ary ny iray kosa avy any Soanieran’Ivongo. Nandray an-tanàna ny lany rehetra tamin’ny fikarakarana sy ny fandevenana ny razana hatrany am-pasan-drazana ny orinasa OTI sy ny vondrona AKSAF. Tsy vitan’izay fa nandeha nandevina tany an-toerana niaraka tamin’ny fianakaviana avokoa ny mpiara-miasa tamin’izy ireo tao amin’ny OTI hatramin’ny mpitantana ny orinasa izay Malagasy daholo. Endriky ny firaisan-kina sy ny firaisam-po misy eo amin’ireo mpiasa izay nahatsiaro ho very namana izao fihetsika nasehon’izy ireo izao. Ka na somary lavidavitra nisy fandehanana lakana aza ny toerana dia tsy nisy niala hatramin’ny farany.

oti 2
Niampita lakana mihitsy vao tonga tany amin’ny toerana nandevenana.
DSC_3151
Toy izao ny endriky ny afo nandritra io fipoahana io ny andron’ny 30 aogositra lasa teo.

Fa inona no nihavian’ny loza ?

Efa an-taonany maro izy roa lahy ireto no niasa tao amin’io orinasa io fa ary efa matihanina tanteraka amin’ny asa nampiandraiketana azy araka ny fanamarinana sy ny diplaoma ananany. Nilaza ny loharanom-baovao iray fa tsy marina velively ny filazana fa ny fanaovana « soudure » no niteraka ny fipoahana fa zavatra hafa ivelan’ny asa nataon’ireo mpiasa mihitsy. Sady fantatr’ireo mpiasa tsara ny loza mety hitranga amin’ny fanaovana izany satria menaka mavesatra no tehirizina ao.

oti 4
Ireo fianakaviana sy mpiara-miasa tonga tany an-toerana.

Tamin’ny taona 2013 ny orinasa dia nahazo medaly volamena noho ny fahaizana nitandro ny ain’ny mpiasa sady tsy niteraka loza ho an’ny hafa (Médaille d’or Challenge sécurité) ary efa manana traikefa an-taonany maro amin’ny fikirakirana asa vy ka mampametra-panontaniana raha izy ireo indray no hanao kitoatoa amin’ny asa toy izao.  Inoana araka izany fa mbola hivoaka ny valin’ny fanadiahadiana momba ny antony tena niteraka ny loza. Ankehitriny efa miverina miasa avokoa ireo mpiasa taorian’iny loza niseho iny.

 

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

VISEO et SIPEM s’associent pour ouvrir le marché du véhicule neuf à Madagascar

Antananarivo — Rouler dans un véhicule d'occasion au compteur...

Crise énergétique à Madagascar : Le Président de la République lance un ultimatum de sept jours à ENELEC

Face au retour des coupures d’électricité qui paralysent plusieurs...

À Antanimena, les femmes prennent les clés du garage avec Méca Mama

À Antanimena, on trouve l’enseigne Méca Mama Madagascar avec...

Cacao de Madagascar : l’identité unique d’un grand terroir

Le secteur cacaoyer à Madagascar connaît une transformation économique...