Pays-Bas : Hahazoana vola ny fandehanana bisikileta rehefa mandeha miasa

Date:

velo pays bas.jpg

Hahazo tambin-karama manokana isaky ny kilometatra vitany ny mpiasa rehetra mandeha bisikileta rehefa mamonjy ny toeram-piasany any Pays-Bas nanomboka ity volana ity araka ny filazan’ny sekreteram-panjakana miahy ny fotodrafitrasa any an-toerana. Izany no natao dia HISOROHANA NY FITOHANAN’NY FIARAKODIA ISANANDRO indrindra amin’ny fotoana hidiran’ny mpiasa. Homen’ny Fanjakana 19 centimes isaky ny kilometatra vita isanandro izany ny mpiasa.

Tsy izay ihany fa izay mividy bisikileta handehanana miasa dia haverina ny vola nividianany izany. Firenena tena mpampiasa bisikileta be indrindra i Pays-bas ary ny bisikileta elektrika no tena be mpividy any. Lasa fomba fiteny any mihitsy ny hoe : vélo-boulot-dodo. Nety tamin’ny mpiasa ity fanapahan-kevitra ity satria sady manao fanatanjahantena izy ireo no mahavita manangom-bola, tsy mividy lasantsy nefa mahazo tambiny amin’ny ezaka atao.

Nilaza ny mpiasa iray fa mahangona 40 euros na 50 euros isam-bolana izy amin’izao satria mahatratra 6km ny halaviran’ny tranony amin’ny toeram-piasàny. Na ny fiasànany aza dia efa nametraka toerana hahafahana midio alohan’ny hidirana hiasa mba tsy hanelingelina eo am-panaovana ny asa ny hatsembohana.

Ankoatran’ny fisorohana ny fitohanana dia ho voaaro ny tontolo iainana amin’ny fampihenana ny fampiasàna ny lasantsy sy ny gazoala

#Indemnité_kilométrique_vélo

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À l’EPP Ankorondrano, 550 élèves font leur rentrée avec de nouveaux cartables

Dès le début de la matinée, la cour de...

Fasan’ny Karàna : deux décisions ministérielles qui sèment la confusion

Le soulagement aura été de courte durée pour les...

Tsitakakantsa, le géant d’Andombiry face à ses dernières saisons

Dans la forêt d’Andombiry, au sud-ouest de Madagascar, un...