Haroso ihany sa hahemotra ny fifidianana filoham-pirenena

Date:

40778337_217374542468543_5309031365465866240_n

Kandida 16 amin’ireo 36 tarihan’nykandida Didier Ratsiraka no nifanaraka fa hanao fanambaràna iombonana androany rehefa avy nivory matetika teny Faravohitra. Ny resaka fanemorana ny fifidianana no tena votoantin’ny resak’izy ireo ary raha ny filazany dia fangatahana manaraka ny lalàna no ataon’izy ireo.

Tsy nisy nipika ny pitsopitson’ny fifanarahana fa ny fantatra dia anisan’ny takian’izy ireo ny tsy hanatanterahana ny fifidianana ao anaty vanim-potoanan’ny fahavaratra. Ampian’ny fitoriana nataon’ny kandida TaberaRandriamanantsoa izay mangataka ny hanafoanana ny didy fampiantsoana ny mpifidy izay tsy nanara-dalàna satria tsy nolaniana tao amin’ny Filan-kevity ny governemanta.

Anio amin’ny 2 ora sy sasany no hamoaka ny valin’ny fitoriana nataon’ity kandida ity ny Filan-kevim-panjakana rehefa avy nidinika nandritra ny adiny 3 teny amin’ny toeram-piasany omaly. Andrasan’ny be sy ny maro izay fivoahan’ny fanapahan-keviny izay satria io no ahafantarana raha haroso ihany na ahemotra ny fifidianana izay tokony ho tanterahina amin’ny 7 novambra. Raha mitombona ny fitorian’ny kandida Tabera Randriamanantsoa dia mazava fa mihemotra ny ffidianana fa raha tsy mitombona kosa dia miandry ny fanambaran’iroe kandida mitambatraindray rahariva.

Eny amin’ny Carlton manomboka amin’ny 8 ora 30 alina no ifamotoanan’izy ireo amin’ny mapanara-baovao rehetra satria hanao fandaharana mivantana amin’ny alalan’ny fahitalavitra tsy miankina izy ireo hanohanany ny fanapaha-keviny. Ny kandida Didier Ratsiraka no tena loha mpitarika ary tia manao ity seho politika alefa mivantana amin’ny fahitalavitra ity tahaka izay efa nataony tany aloha.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

TVM à Madagascar : Plus que 36 jours avant l’échéance, la grogne des automobilistes s’intensifie

Les propriétaires de véhicules à Madagascar n'ont plus que...

PLFR 2026 : une taxation ciblée de 5,5 % pour le riz de luxe importé

Le Projet de Loi de Finances Rectificative (PLFR) 2026...