« Mifidiàna olona matahotra an’Andriamanitra » hoy ny hafatry ny FFKM

    Date:

    31369384_523839718017973_3347980440920129536_n

    Namoaka fanambarana momba ny raharaham-pirenena ny avy eo amin’ny FFKM tamin’ny 19 aogositra lasa teo. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny resaka fifidianana izay atao eto Madagasikara. Voalohany dia mamporisika ny vahoaka hanefa ny adidy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana ireto mpitondra fiangonana ireto. « Mamporisika ny vahoaka andeha hifidy amin’ny fifidianana izahay ary hahay hifidy ny kandida hametrahana fitokisana hitondra ny tany sy ny fanjakana. Mahaiza mifidy mba tsy hanenenana any aoriana » hoy izy ireo tao anatin’ny fanambarana.

    Notanisain’ny FFKM tao anatin’ity fanambarana ity ireo sivana vitsivitsy tokony hananan’ny olona izay hitondra an’i Madagasikara. Voalohany dia olona matahotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io olona io hoy izy ireo. Olona vonona hanompo ny firenena sy ny vahoaka ary hita fa afaka hahavita zavatra tsara ho an’ity Nosy mamintsika ity ihany koa. Ankoatra izay dia tokony ho olon’ny fisokafana sy afaka hiara-hiasa amin’ny ankolafin-kery samihafa ihany koa ary indrindra dia olona manana fitondran-tena mendrika io olona ho filoha io.

    38756591_290105608412590_4639471484715139072_n.jpg

    Antso ho an’ny governemanta sy ny CENI. Isan’ireo niantefan’ny fanambarana nataon’ny FFKM ihany koa ny governemanta sy ny CENI. Ao anatin’izany ny fanamarinana ny lisi-pifidianana sy ny fikarakarana ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Hiankinan’ny filaminan’ny zotram-pifidianana mantsy ireto andrim-panjakana anakiroa ireto. « Aoka ianareo hitandro ny fitantanana ny fifidianana, indrindra ny fanajana ny safidim-bahoaka tsy hiteraka krizy na olana intsony » hoy ny hafatra avy amin’ny FFKM.  Nahazo hafatra manokana ihany koa ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny amin’ny tokony hitandroan’izy ireo ny fahamarinana. Farany dia nampahery ny mpitsara ao amin’ny HCC ireo filoham-piangonana mba tsy hahadiso famindra na hahasolafaka azy ireo.

    39986952_10214504656963569_6626178615446863872_n.jpg

    Raha fintinina dia miantso ny rehetra handray ny andraikitra tandrify azy tsirairay ny avy ao amin’ny FFKM mba hizoran’ny fanantanterahana ny fifidianana antsakany sy andavany ka tsy hisian’ny krizy intsony.

    Partager sur :

    Newsletters
    spot_imgspot_img

    Articles récents

    More like this
    Related

    Marketing appliqué au tourisme : Comment hiérarchiser les problèmes à résoudre lorsque les moyens sont limités ?

    Pour éclairer le thème « Comment hiérarchiser les problèmes...

    Madagascar : analyse du premier entretien présidentiel après un mois de pouvoir

    Au lendemain des manifestations de septembre et dans un...

    Malgré les appels au calme, la répression se poursuit sur le terrain

    Antananarivo, 6 octobre 2025 — L’esplanade d’Ankatso a accueilli...

    Discours du président Andry Rajoelina du 3 octobre : quand la communication politique dévoile plus qu’elle ne cache

    Note de la rédaction Cette analyse décrypte les stratégies de...