Natonta any Afrika atsimo ny bileta tokana modely ampiasaina amin’ny fanentanana

Date:

BULLETIN 4 CLR.JPG

Any Afrika Atsimo no antonta ny bileta tokana modely hampiasaina amin’ny fanentanana amin’ny fifidianana. Misy fenitra iraisam-pirenena tokony harahina no antony nanaovana ny fanontana any ivelany hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo. Mahatratra telo hetsy sy folo tapitrisa no isan’ny bileta hantonta ampiasaina mandritra ny fifidianana, ary ny vola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka no manohana amin’ izany. Mizara roa miavaka tsara ny bileta ho an’ny kandidà, fiarahamonim-pirenena ary ny CENI, ny voalohany dia ampiasaina amin’ny fanentanana, satria hisy soratra “specimen” na hoe “Maodely” eo afovoan’ilay bileta, ary ny faharoa dia ampiasaina amin’ny andron’ny fifidianana. Tsy nanambara ny vola lany hanontàna ireo bileta karazany roa ireo satria ireo mpiara-miombon’antoka no nanatanteraka ny tolo-bidy. Raha ny fanazavana azo ihany, dia tsy hihoatra ny folo andro ny famitana ity bileta ”maodely” ity.

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À l’EPP Ankorondrano, 550 élèves font leur rentrée avec de nouveaux cartables

Dès le début de la matinée, la cour de...

Fasan’ny Karàna : deux décisions ministérielles qui sèment la confusion

Le soulagement aura été de courte durée pour les...

Tsitakakantsa, le géant d’Andombiry face à ses dernières saisons

Dans la forêt d’Andombiry, au sud-ouest de Madagascar, un...