Imeritsiatosika : telo mianaka indray maty notsatotsatohana antsy

Date:

15826442_1187365284674281_1263910004556738567_n.jpg

Faty feno dian’antsy mivalampatra eo ambony fandriana no novantanin’ny olona tao amin’ny tokatranon’i Nantenaina sy Julianna, mpivady mipetraka ao Mamoladahy Imeritsiatosika omaly maraina. Mbola vao erotrerony ireto mpivady niharan’ny habibiana ireto satria dia 30 taona ilay raim-piankaviana ary 29 taona ny vadiny. Tsy vitan’izay fa novonoina niaraka taminy ihany koa ny zanany vavikely 5 taona.

40138736_1360560964079916_8812915498573365248_n.jpg

Tsindrona antsy teo amin’ny fony no hita tamin’ny vatan’ilay lehilahy ary teo amin’ny lamosiny sy ny lohany kosa ny an’ilay vehivavy. Tsatoka antsy imbetsaka teo amin’ny tendany kosa no namonoan’ireo tsy mataho-tody an’i Julie kely. Araka ny fanambaran’ny mpitsabo dia niharan’ny fanolanana ihany koa izy mianaka mialoha ny namonoana azy ireo.

40248426_453290548496224_6411992380261531648_n.jpg

Mitazona « cyber café », izay hany tokana eo an-tanàna ihany izy mivady ireto. Lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana ny solosaina entin-tanana anakiroa sy fahitalavitra iray ary bisikileta iray. Heverin’ireo mpiara-monina fa olona mahalala azy ireo tsara ihany no nahavanona izao loza izao. Tsy nisy nipika mantsy ny varavarana nidiran’ireo olon-dratsy fa tahaka ny hoe novohaina tsotra fotsiny. Tsy nikorontana ihany koa ny trano ary tao anatin’ny fahanginana tanteraka no nanaovan’ireo olon-dratsy ny fanafihana sy nivoahany tao.

Mbola manana zanaka lahikely ireto mpivady ireto ankoatra io niara-novonoina taminy io saingy nalefa niala sasatra ity farany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ity raharaha ity. Ny alarobia izao, any Sandrandahy Fandriana no handevenana ny nofo mangatsiakan’izy telo mianaka kely.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

À Antanimena, les femmes prennent les clés du garage avec Méca Mama

À Antanimena, on trouve l’enseigne Méca Mama Madagascar avec...

Cacao de Madagascar : l’identité unique d’un grand terroir

Le secteur cacaoyer à Madagascar connaît une transformation économique...

Trafic, réhabilitation, liberté : à Mangily Toliara, le combat silencieux pour sauver les lémuriens

Les images de capture d'animaux sauvages font régulièrement le...

Jeu vidéo : Kalanoro est le premier jeu vidéo malgache à être lancé sur le marché international

Le jeu vidéo Kalanoro est le premier projet entièrement...