Faty feno dian’antsy mivalampatra eo ambony fandriana no novantanin’ny olona tao amin’ny tokatranon’i Nantenaina sy Julianna, mpivady mipetraka ao Mamoladahy Imeritsiatosika omaly maraina. Mbola vao erotrerony ireto mpivady niharan’ny habibiana ireto satria dia 30 taona ilay raim-piankaviana ary 29 taona ny vadiny. Tsy vitan’izay fa novonoina niaraka taminy ihany koa ny zanany vavikely 5 taona.
Tsindrona antsy teo amin’ny fony no hita tamin’ny vatan’ilay lehilahy ary teo amin’ny lamosiny sy ny lohany kosa ny an’ilay vehivavy. Tsatoka antsy imbetsaka teo amin’ny tendany kosa no namonoan’ireo tsy mataho-tody an’i Julie kely. Araka ny fanambaran’ny mpitsabo dia niharan’ny fanolanana ihany koa izy mianaka mialoha ny namonoana azy ireo.
Mitazona « cyber café », izay hany tokana eo an-tanàna ihany izy mivady ireto. Lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana ny solosaina entin-tanana anakiroa sy fahitalavitra iray ary bisikileta iray. Heverin’ireo mpiara-monina fa olona mahalala azy ireo tsara ihany no nahavanona izao loza izao. Tsy nisy nipika mantsy ny varavarana nidiran’ireo olon-dratsy fa tahaka ny hoe novohaina tsotra fotsiny. Tsy nikorontana ihany koa ny trano ary tao anatin’ny fahanginana tanteraka no nanaovan’ireo olon-dratsy ny fanafihana sy nivoahany tao.
Mbola manana zanaka lahikely ireto mpivady ireto ankoatra io niara-novonoina taminy io saingy nalefa niala sasatra ity farany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ity raharaha ity. Ny alarobia izao, any Sandrandahy Fandriana no handevenana ny nofo mangatsiakan’izy telo mianaka kely.