Ambatovaventy Antanifotsy : Tratra ireo jiolahy fito namono ireo eni-mianaka sy nandoro ny tranony

    Date:

    dahalo antanifotsy2

    Tadidinareo ve ny loza niseho nahafaty fianakaviana iray trano nahitana mpivady sy ny zanany efatra tany Ambatovaventy Antanifotsy ? Tamin’ny alin’ny 20 septambra lasa teo no nitrangan’izany ary nahoraka eran’ny tambanjotra Facebook sy tamin’ny gazety fa maty vokatry ny fahasemporana sy ny fandoran’ny jiolahy ny tranony izy mianakavy kely. Rehefa tsy nety namoha ny trano mantsy izy mianakavy tao ambony dia gaz no nampiasain’iretsy ka nahasempotra azy ireo ary niteraka ny fahafatesan’izy iray trano. Mpivarotra no asa aman-draharahan’izy ireto, tsy nahazo n’inon’inona akory nefa ireto mpanafika fa niala maina.

    Araka ny filazan’ny gazety mpiseho isanandro iray dia “nosokafan’izy ireo ny varavarana miditra ao amin’ilay trano saingy tsy nety nisokatra, fa mafy hidy be. Nasian’izy ireo entona tao amin’ny tranon’ilay olona, ary lasa nitsoaka izy ireo avy eo vao naheno ireo olona taitra sy ny fiavian’ireo zandary”. Niteraka firehetan’ny trano izany, ary nijoalajola ny afo. Nifarimbona nifanome Tanana, ary namonjy azy eni-mianaka tao amin’io trano io ny mpiray tanàna avy eo. “Efa nisy niala aina tamin’ireo fianakaviana ireo. Mety efa nisy maty mihitsy aza. Ny sasany mbola sempotra sy tsy avy niaina”, hoy fitantaran’ireo nanatri-maso.  Nentina namonjy hopitaly avy hatrany izy mivady sy ireo zanany efatra saingy rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana, dia namoy ny ainy avokoa no niafaran’izy ireo.

    Nandray ny andraikiny ny borigadin’ny #Zandarimariam-pirenena avy ao Antanifotsy nanao ny fikarohana. Anisan’ny nanampy betsaka ny fisian’ireo alika nanao tsongo dia avy amin’ireo zandary mpibaiko alika teny Ivato, nanafaingana ny fahafantarana ny momba ireo nanafika. Nampiasaina koa ny teknolojia nahafahana namantatra haingana ny tarehin’izy ireo ka ny section recherche criminelle avy aty Antananarivo no nanampy betsaka tamin’izay. Fa tetsy an-daniny dia nisy koa ny fanampian’ny mponina  tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao maro samihafa.

    dahalo antanifotsy3

    Nody ventiny ny rano natsakaina. Voasambotra ny jiolahy miisa fito ary niaiky ny heloka nataony, nisy tamin’izy ireo no efa jiolahy rain-dahiny efa nokarohana hatry ny ela. Ny lehilahy iray kosa dia notondroin’izy ireo fa mpanampy azy amin’ny ody gasy isaky ny handeha hanafika. Natolotra ny fampanoavana ny 12 oktobra 2017 ireo jiolahy ireo taorian’ny famotorana azy ka tafiditra am-ponja vonjy maika ao amin’ny fonjan’Ambatolampy izy rehetra ireo.

    Loharanom-baovao sy sary : Zandarimariam-pirenena

    LAISSER UN COMMENTAIRE

    S'il vous plaît entrez votre commentaire!
    S'il vous plaît entrez votre nom ici

    Partager sur :

    Newsletters
    spot_imgspot_img

    Articles récents

    More like this
    Related

    Lancement de gite.mg : une nouvelle ère pour le tourisme chez l’habitant à Madagascar

    Ce lundi 2 juin, la plateforme gite.mg a été...

    Tragédie à Antohomadinika : Raïssa, 9 ans, retrouvée sans vie après plusieurs heures de recherches

    Antohomadinika, Madagascar – Une onde de choc secoue la...

    25,5 kg d’or saisis à Maurice restitués à Madagascar

    La restitution de 25,5 kilogrammes d’or en provenance de...

    Madagascar, nouveau terrain stratégique pour la France : la bataille des terres rares est lancée

    « Nous avons la conviction que nous pouvons avoir...