
Rafaralahy Maurice sy Randrianasolo Charles Berthin, « chef de chantier » sy « soudeur homologué » tao amin’ny orinasa OTI (Ouvrages et Travaux industriels), maty nandritra ny fipoahan’ny toby fitehirizana menaka mavesatra teny Ambohimanambola. Teo am-panaovana asa teo amin’io toerana io izy ireo sy ny mpiara-miasa aminy no niseho ny loza ka niteraka ny fahafatesan’izy roalahy, ny iray maty teo fa ny iray tany amin’ny hopitaly, nisy koa ireo olona 6 hafa naratra nandritra io voina io. Tsy nisy nanam-po na inona na inona fa tampoka be ny nitrangàn’ny loza.

Samy avy amin’iny faritra atsinanana iny izy mirahalahy ireto, ny iray avy any Brickaville ary ny iray kosa avy any Soanieran’Ivongo. Nandray an-tanàna ny lany rehetra tamin’ny fikarakarana sy ny fandevenana ny razana hatrany am-pasan-drazana ny orinasa OTI sy ny vondrona AKSAF. Tsy vitan’izay fa nandeha nandevina tany an-toerana niaraka tamin’ny fianakaviana avokoa ny mpiara-miasa tamin’izy ireo tao amin’ny OTI hatramin’ny mpitantana ny orinasa izay Malagasy daholo. Endriky ny firaisan-kina sy ny firaisam-po misy eo amin’ireo mpiasa izay nahatsiaro ho very namana izao fihetsika nasehon’izy ireo izao. Ka na somary lavidavitra nisy fandehanana lakana aza ny toerana dia tsy nisy niala hatramin’ny farany.


Fa inona no nihavian’ny loza ?
Efa an-taonany maro izy roa lahy ireto no niasa tao amin’io orinasa io fa ary efa matihanina tanteraka amin’ny asa nampiandraiketana azy araka ny fanamarinana sy ny diplaoma ananany. Nilaza ny loharanom-baovao iray fa tsy marina velively ny filazana fa ny fanaovana « soudure » no niteraka ny fipoahana fa zavatra hafa ivelan’ny asa nataon’ireo mpiasa mihitsy. Sady fantatr’ireo mpiasa tsara ny loza mety hitranga amin’ny fanaovana izany satria menaka mavesatra no tehirizina ao.

Tamin’ny taona 2013 ny orinasa dia nahazo medaly volamena noho ny fahaizana nitandro ny ain’ny mpiasa sady tsy niteraka loza ho an’ny hafa (Médaille d’or Challenge sécurité) ary efa manana traikefa an-taonany maro amin’ny fikirakirana asa vy ka mampametra-panontaniana raha izy ireo indray no hanao kitoatoa amin’ny asa toy izao. Inoana araka izany fa mbola hivoaka ny valin’ny fanadiahadiana momba ny antony tena niteraka ny loza. Ankehitriny efa miverina miasa avokoa ireo mpiasa taorian’iny loza niseho iny.

