
Mpilalao Baskety ary anisan’ny namorona ny klioba ASCUT (Association Sportive de la Commune Urbaine de Toamasina) koa i Mbola Rajaonah, filoha tale jeneralin’nyvondrona RLM Communication. Tsy mijanona fotsiny amin’izany anefa fa manampy ihany koa ireo tanora mana-talenta kanefa tsy manana ny enti-manana mba hamoahana izany fahaizana izany izy.
Araho ary ny resadresaka nifanaovana taminy teto amin’ny Lachasse-info.com
Inona no nampirisika anao hiditra amin’ny fikarakaraka hetsika samihafa momba ny Basket fa tsy nijanona fotsiny amin’ny fitantanana klioba ?
Voalohany indrindra aloha dia noho ny fitiavana ny baskety. Hitako hoe raha mijanona fotsiny amin’ny klioba dia tsy afaka mivelatra bebe kokoa sy mijery lavitra eo amin’ny tontolon’ny baskety satria be dia be ny zavatra mbola azo atao ao anatin’io sehatra io fa tsy ao anatin’ny klioba irery ihany akory. Mahatsiaro tena manana adidy sy andraikitra ny tenako ary raha afaka manampy dia manampy an’ireo izay te hanao zavatra ao anatin’ny fanatanjahantena. Isan’izany ohatra ny AT2B Andraisoro. Nanatona ahy ry zareo ary nitady fanampiana, nitovy ny fomba fijery satria samy te hampiroborobo ireo tanora manao fanatanjahantena dia nanaiky aho. Mbola mitohy ny fifanampiana amin’izao ary tanjona napetraka ny fananganana kianja filalaovana baskety ao an-toerana. Tsy ny basikety ihany nefa, marihako tsara, no ampiako fa rehefa fanatanjahantena na baolina kitra na rugby na inona ka misy azoko atao dia manampy aho.
Inona ny tanjona mahatonga anao hampiroborobo ireo tanora ?
Fanampiana aloha voalohany indrindra, satria be dia ny tanora te hanao zavatra sy hampiseho talentany. Tsy afa-manoatra anefaizy ireo noho ny tsy fahampiana sy ny sakana hafa any amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay. Dia izay no iezahako mba hahafahana mampiroborobo miaraka an’ity taranja ity satria hitako hoe manana ho avy mamiratra isika raha Baskety no resahana.
Inona no itanao fa sakana ho an’i Madagasiakra raha fifaninanana iraisam-pirenena no resahana ?
Be dia be ny sakana. Isan’izany ohatra ny reasaka fenitra arahina mba hifaninanatsika amin’ireny mpilalao sangany any ivelany ireny. Ary miainga any amin’ny fototra no mila karakaraina raha te ho lasa lavitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika, tsy ireo mpilalao efa manana traik’efa ihany no tokony ampiana fa miainga avy any amin’ny fototra, izany hoe ny any amin’ny isam-pokotany mihitsy. Ilaina fiaraha-miasa amin’ny federasiona, ny klioba sy ny mpilalao rehetra izany.
Misy ambadika politika ve ny fanampiana ataonao ?
Tsy voatery misy tambiny ny zavatra omena olona. Fa izaho tanora ary tiako ny baskety dia manampy aho ary tsy misy tambiny mihitsy ny zavatra ataoko.
Mbola tsy manana hieritreritra hampiditra mpilalao vaovao ao amin’ny ASCUT sokajy N1A ve ianao ?
Ny ASCUT tsy mijanona amin’ny N1A ihany fa misy sokajy hafa ihany koa. Manomboka 10 taona ny ankizy dia raisin’ny ASCUT ary mandray anjara amin’ny fifaninanana maro be. Miezaka tsy maka ankizy efa lehibe izahay ary ireo ankizy ao amin’ny « école de Basket »n-ny ASCUT ireo ihany no ampiakarina ao amin’ny diviziona A. Misy ankizy ao mahafeno tsara ny halava ilaina eo amin’ny tontolon’ny baskety saingy mbola tsy mahafeno ny fepetra dia mbola masahana tsara aloha. Fa amiko dia mahafa-po aloha hatreto ny vokatra azon’ny N1A ASCUT. Fanirianay ny haka ny tompon-dakan’i Madagasikara amin’ity taona ity.


