
Tsy mitovy amin’ny an’ny filohan’ny Repoblika lanim-bahoaka ny fahefan’ny filoha mpisolo toerana hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza. Azony atao ny mitarika ny filan-kevitry ny ministra. Afaka misolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena ihany koa izy
Tsy azony atao kosa ny manala na manendry mpiasam-panjakana ambony na manova ny governemanta. Tsy manana fahefana hamatotra an’i Madagasikara amina zavatra ho avy ihany koa ny filoha mpisolo toerana. Ohatra ny hoe fanasoniavana fifanarahana iraisam-pirenena.
Amin’ny 7 septambra ho avy izao no tokony hametra-pialana ny filoha am-perinasa ka araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no handray ny toerany mandrapahavitan’ny fianianan’ny filoha vaovao. Izany hoe i Rivo Rakotovao izany no hitantana an’i Madagasikara raha vao miala amin’ny toerany ny i Hery Rajaonarimampianina.

