Clarisse Ratsifandrihamanana : Poety sy mpanoratra malagasy manana ny lazany

    Date:

    lavakombarika

    Lavakombarika, sombintantara miisa16 mahatsikaiky, mampatahotra, mampalahelo, mahavariana… nosoratan’i Clarisse Hortense Andriamampandry na i Clarisse Ratsifandrihamanana. Ireto no lohatenin’ireo sombitantara izay voasokajy ho “fantastique” ireo :

    -Tsy matahotra mpamosavy aho,
    -Matoatoa,
    – Miandry razana,
    – Taratasy misokatra ho an’I Lobo,
    -Ikalomanga,
    – Ramaitsoakanjo,
    – Hiakatra ny Anglisy,
    – Zaza masiaka,
    -Volamena nototofana,
    -Ny vazaha aloha sy ny vazaha an-taratasy,
    -Raha isika roa irery hono no teto ambonin’ny tany,
    -Ny taolan’I Mampikony,
    -Ramboniny,
    -Rivo-doza,
    -Iza aho?

    clarisse ratsifa1

    Fa iza moa i Clarisse Ratsifandrihamanana ?

    Clarisse Hortense Andriamampandry no tena anaran’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Poety sy mpanoratra tantara foronina, tantara tsangana, andrana amin’ny teny malagasy izy, teraka ny 5 Desambra 1926 tao Fenoarivo-Atsinanana, Madagasikara, zanaky ny mpitsabo Dr Pierre Andriamampandry. Na dia nanoratra dieny fahatanorany tokoa aza i Clarisse Ratsifandrihamanana, tsy nifantoka tamin’ny fanoratana sy ny haisoratra izy raha tsy taorian’ny namoizany ny zanany vavy fahatelo (1950).

    Mpanoratra tena mamokatra tokoa izy ary manoratra ny karazana haisoratra rehetra, isan’ireo manome lanja indrindra ny literatiora malagasy ny vokatr’asa sorany: efa mihoatra ny telo amby roapolo isa (tantara foronina, sombintantara, tononkalo, tantara an-dampy na an-tsehatra, angano, andrana sy (anadihadiana…) ary mbola maro no tsy voatonta. Fantatra amin’ny maha mpanoratry ny tolona amin’ny alalan’ny teny izy, fa miresaka momba ny fitiavana, ny fiainana ihany koa. Nanambady ny Dr Henri Ratsifandrihamanana izy ny taona 1946, ary niteraka valo mianadahy izy ireo.

    Nahazo loka maro ny asasorany. Mpikambana tamin’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy fantatra amin’ny hoe U.P.E.M (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches), tamin’ny FIkambanan’ny Mpanoratra sy Artista MIaro ny Revolosiona na ny FIMAMIRE (Organisation des Ecrivains et artistes en soutien à la révolution malagasy), sy ny Akademiam-pirenena Malagasy izy (1975). Ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny Fanabeazam-pirenena ny asasorany amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny. Nodimandry ny 28 juin 1987 tao Antananarivo i Clarisse Ratsifandrihamanana.

    Lambakombarika11

    Ireto misy santionany amin’ireo boky sy asasorany nalaza indrindra, nahazo loka:

    – Amboara (1960), amboaran-tononkalo : Loka faharoan’ny Poezia, Kaominin’Antananarivo
    – Fahavaratra (1969), tantara foronina, Loka Akbaraly 1964
    – Tamberintany (1972), tantara foronina : Loka voalohany AJEM 1966 (Association des Journalistes de Madagascar)
    – Ny Zanako I & II (1970), tantara foronina : Loka voalohany Syndicat des Professeurs Malgaches
    – Taratasy misokatra ho an’i Lobo (Lavakombarika, 1974), sombintantara : Loka voalohany Organisation Démocratique de Madagascar 1973
    – Tany vao (1979), tantara foronina: Loka faharoa natolotry ny Ministeran’ny Kolontsaina 1979
    – Velanangano (1980), tantara an-dampy : Loka voalohany natolotry ny Ministeran’ny Kolontsaina 1979.
    – Salohy, amboaran-tononkalo, Ratompokovavy, tantara an-dampy, Tohi-vakana…
    – Angano : Ravahiny (1975), Irojo tsy nety afa-po (1977), Ifelamboahangy (1977)…

    Renim-pianakaviana, nitondra tokantrano, vehivavy nanana ny asany ankoatra ny haisoratra nasandrany sy ny fikambanana maro nisy azy i Clarisse Ratsifandrihamanana.

    clarisse ratsifa

    Indro misy tononkalo iray anehoany izany toeran’ny Vehivavy izany eo amin’ny tantaram-piainana sy ny tantaran’izao tontolo izao.

    Tsy sendra tadidy fa MIRAKITRA ANATY INENY
    Tsy vatana ihany sy andry iankinana
    Fa AINA nivimbina ilay FANAMBINANA.
    Tsy endrika ihany ka mamin’ny FOKO,
    Fa TOKY hita maso, ahy IHAMBOAKO.
    TSY hoe SANDRY fotsiny iondanondanako,
    Fa TANA-manolotra izay ho FANANAKO.
    Tsy hoe MASO ihany hitsikitsikiako,
    Fa JERY mitaratra ko izany DIAKO!

    (Loharano : Poetawebs)

    LAISSER UN COMMENTAIRE

    S'il vous plaît entrez votre commentaire!
    S'il vous plaît entrez votre nom ici

    Partager sur :

    Newsletters
    spot_imgspot_img

    Articles récents

    More like this
    Related

    Marketing appliqué au tourisme : Comment hiérarchiser les problèmes à résoudre lorsque les moyens sont limités ?

    Pour éclairer le thème « Comment hiérarchiser les problèmes...

    Madagascar : analyse du premier entretien présidentiel après un mois de pouvoir

    Au lendemain des manifestations de septembre et dans un...

    Malgré les appels au calme, la répression se poursuit sur le terrain

    Antananarivo, 6 octobre 2025 — L’esplanade d’Ankatso a accueilli...

    Discours du président Andry Rajoelina du 3 octobre : quand la communication politique dévoile plus qu’elle ne cache

    Note de la rédaction Cette analyse décrypte les stratégies de...