Ampangabe Behenjy : Rehefa avy natao « shooting » dia novonoina tamin’ny vely maritoa ilay tovovavy

Date:

hanitriniaina
Sary Facebook H.A.P

Mampalahelo. Tovovavy iray mpianatra amin’ny Master  2 any amin’ny sampam-pianarana Géographie ao anatin’ny « promotion Honko » no maty rehefa novelezina maritoa in-dimy ny lohany. Araka ny fampitam-baovao dia nivoaka niala an’Antananarivo i H.A.P sy ny vadiny ny marainan’ny alarobia fa hoe haka rivotra kely.

Niantso ny fianakaviana nefa ilay lehilahy nony antoandrotoandro fa hoe novonoin’olona efa-dahy i H.A.P raha nipipy tamin’ny toerana anankiray. Niainga avy hatrany ny fianakaviana hijery izay zava-miseho ary teny Ambatofotsy dia efa niantso zandary hiara-hijery amin’izy ireo izany tranga izany sy noho ny ahiahin’izy ireo mikasika ny vadin’i H.A.P.

hanitriniaina 1
Sary Facebook H.A.P

Efa vatana mangatsiaka no novantanina teny amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana ary fantatra fa vely maritoa indimy no nahazo ny lohany ka niteraka ny fahafatesany. Rehefa tena natao ny fanadihadiana ary nojerena ny findain’i H.A.P dia avy naka sary na ny marina nalaina sary izy ary ny vadiny no mpaka sary. Tsy nisy olon-kafa niaraka tamin-dry zareo ary hita tao amin’ny moto nandehan’izy ireo ny maritoa mbola misy dian-drà ary mbola hita teo akaiky teo koa ny lamba namafàna azy.

Nifantoka tany amin’ilay vadiny avy hatrany ny ahiahin’ny fianakavian’i H.A.P. Nosamborin’ny zandary izy ary natao fanadihadiana ka « niaiky ny helony araka ny tatitra voarain’ny gazety midi madagasikara ». Vao herintaona monja no nivadian’izy roa ireto ary tena nakotroka tokoa ny fankalazana ny mariaziny ka tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ilay lehilahy (raha tena izy tokoa) namono nahafaty ny vady andefimandriny toy izao.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Hary Rabary : de la médecine à la littérature, le combat engagé de l’autrice malgache avec #Zakoa

À Madagascar, le nom de Hary Rabary évoque d’abord...

Madagascar : le système des Nations unies aligne ses actions sur les priorités nationales en 2025

Le système des Nations Unies (SNU) à Madagascar a...

Le piment : le secret brûlant de la cuisine thaïlandaise

Si la cuisine thaïlandaise est mondialement célèbre, c’est avant...

Jeunesse malgache : le défi de l’emploi dans un marché saturé

Chaque année, ils sont plus de 500 000 à...