Seranan-tsambo Toamasina : Vary fanampiana azon’ny BNGRC nisy namoaka an-tsokosoko

Date:

vary tratra
Sary : Zandarimariam-pirenena

Vary 97 gony nangalarina avy tao amin’ny trano fitehirizana entan’ny BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et Catastrophes) no nisy namoaka an-tsokosoko tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 11 oktobra lasa teo. Vary izay fanomezana azon’ny BNGRC tokony haterina any amin’ny distrikan’i Sakaraha, Ihosy, Ambalavao ary Ambatofinandrahana.

Mpangala-bary
Sary : Zandarimariam-pirenena

mpangala-bary1mpangala-bary toamasina

Olona fito no namatratra izany tao anatin’ny kamiao lehibe anankiroa, nisy lehilahy iray miasa misahana ny famoahana entana tao amin’ny BNGRC nanampy azy ireo tamin’izany. Rehefa voafatratra ny vary dia niainga ary tafavoaka ny seranana soa aman-tsara ireo kamiao.

Naharay antso ny Zandarimariam-pirenena (Compagnie, peloton de surveillance sy ny brigade judiciaire) fa misy olona maromaro mitatitra vary mihoatra ny tokony ho izy ao amin’ny seranana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary nanaraka ny lalana nalehan’ireo kamiao. Tratran’izy ireo mbola nijanona teo amin’ny fiantsonan’ny fiara teo amin’ny fangalana soliky ny Jovenna tao Mangarano izy ireo.

gendarmerie
Sary : Zandarimariam-pirenena

Rehefa natao ny fisavana dia « mihoatra ny vary tokony ho tateriny ireo vary tao anatiny kanefa dia entana mitovy avokoa ireo fa tsy hoe entana samy hafa vao avy nampiakarina teny an-dalana nanampy ireo nalaina tao an-tseranana. Raha tokony ho 700 avy no nakarina tao dia nitondra 750 ny iray ary 747 kosa ilay faharoa, » hoy ny tatitry ny zandary. Tsy vitan’izay fa dia mbola teo amin’io toerana io ihany koa no saika hampidinina hamidy ireo vary mihoatra.

Avy hatrany dia nentina niverina tany amin’ny seranan-tsambo ireo kamiao sy ny olona rehetra tao anatiny. Rehefa natao ny famotorana dia hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo. Manainga ny olom-pirenena na ny tompon’andraikitra hatrany ny Zandarimariam-pirenena mba hisy hatrany ny fiaraha-miasa ho famongorana ny halatra sy ny kolikoly sy ny fanararaotana amin’ny endriny rehetra toy izany.

Loharano : Zandarimariam-pirenena

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

SanlamAllianz : le défi de la confiance après un an de fusion

Un an après l'officialisation de leur union, les équipes...

Un DJ malgache fait vibrer 40 000 spectateurs à Paris La Défense Arena

Le 10 avril dernier, un cap symbolique a été...

La Troupe Jeannette : aux origines du théâtre classique malgache

Le théâtre fait partie intégrante de la culture malgache....

Koban à Tokyo : un modèle que Madagascar pourrait suivre

À Tokyo, perdre son téléphone ou son portefeuille ne...