Fidinan’ny sandan’ny ariary : Mahazo tombony ny mpanondrana entana

    Date:

    euro dollar

    Tsy nitsahatra nidina ny sandan’ny ariary tato anatin’ny andro maromaro raha mitaha amin’ny vola vahiny. 3 750 ariary ny Euro amin’izao raha toa ka 3 200 ariary ny Dollar.

    Miakatra ny sandam-bola vahiny, miha lafo ny entana afarana

    Raha ny fanambaran’ny mpahay toe-karena iray dia antony iray mahatonga io fidinana io ny fitomboan’ny fanafarana entana avy any ivelany amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao. Hita taratra amin’ireo karazana entana mitobaka eran’ny tsena.

    Ho an’ireo mpanafatra entana dia miteraka fahavoazana be ho azy ireo izany satria dia miakatra ihany koa ny vidin’ny entana hafarana. Ho an’ny tsena anatiny koa dia miteraka fiakaran’ny vidim-piainana ny fidinan’ny sandan’ny vola malagasy satria ny ankabeazan’ireo akora fototra sy ny entana aparitaka eny an-tsena dia hafarana avokoa.

    Miakatra ny sandam-bola vahiny, tombony hoan’ny mpanondrana entana

    Ny mifanohitra amin’izany kosa anefa no mitranga ho an’ireo mpanondrana satria dia fotoana hahazoan’izy ireo tombony ny toy izao. Isan’ny mahazo tombony voalohany amin’izany ny mpanondrana entana any amin’ny tsena eropeana. Fotoana hanararaotana amin’ny famporisihana ny fanondranana entana ny toy izao raha ny nambaran’ity mpahay toekarena iray ity.

    Fahefa-mividy tsy miova

    Araka izany na dia misy fiantraikany amin’ny fifanakolazana eto anatiny aza ny fidinan’ny sandan’ny Ariary dia fanararaotana ihany koa anefa ho an’ireo mpanondrana. Tokony hojerena amin’izay lafin-tsarany  izay ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Etsy an-daniny, tokony hisy fifehezana ihany koa nefa satria raha vao midina ny sandam-bola malagasy dia miaka-bidy avokoa ny entana eny an-tsena ary tsy amin’izao faran’ny taona izao fa mety hitohy amin’io taona vaovao miditra io kanefa ny fahefa-mividin’ny olona tsy miova akory. Izay no mahatonga ny olona tsy mahatsapa fiovana sy mikaikaika amin’ny fisondrotan’ny vidin-javatra na dia eo aza ny filazana fa raha 90% ny taham-pahantrana tamin’ny 2013 ary efa nidina 71% izy ankehitriny.

    LAISSER UN COMMENTAIRE

    S'il vous plaît entrez votre commentaire!
    S'il vous plaît entrez votre nom ici

    Partager sur :

    Newsletters
    spot_imgspot_img

    Articles récents

    More like this
    Related

    Marketing appliqué au tourisme : Comment hiérarchiser les problèmes à résoudre lorsque les moyens sont limités ?

    Pour éclairer le thème « Comment hiérarchiser les problèmes...

    Madagascar : analyse du premier entretien présidentiel après un mois de pouvoir

    Au lendemain des manifestations de septembre et dans un...

    Malgré les appels au calme, la répression se poursuit sur le terrain

    Antananarivo, 6 octobre 2025 — L’esplanade d’Ankatso a accueilli...

    Discours du président Andry Rajoelina du 3 octobre : quand la communication politique dévoile plus qu’elle ne cache

    Note de la rédaction Cette analyse décrypte les stratégies de...