Orinasa malagasy manodina fako plastika ho lasa biriky, rarivato ary gazoala

Date:

Fako anisan’ny manentsina ny lakan-drano ary manimba ny tontolo iainana eto amintsika ny fako plastika (na sachet io na tavoahangy sy ny maro hafa) fa angonin’ny orinasa Eco Malagasy Plast kosa izy ireny ka avadiny ho lasa biriky sy « pavé autobloquant ». Tanora malagasy no tompon’ny orinasa ary vao herintaona sy tapany no nitsanganany, miara-miasa amina fikambanana sy orinasa izy ireo amin’ny fanangonana fako plastika ilainy. Raha ny filazan’ny talen’ny orinasa, Frank Andrianjanahary, dia mateza lavitra noho ny biriky tanimanga ny biriky vita amin’ny fako plastika izay milanja 6 kilao eo ny iray. Ny fanamboarana biriky sy « pavé » iray dia mila plastika 2 kg avy.

Gazoala artifisialy amidy 2400 ar ny litatra

Ato ho ato dia mihevitra ny hamokatra « gazoala » avy amin’ireo fako plastika ihany koa ny orinasa, nilaza ho efa nanao andrana ary nahita fa nahomby. Rehefa natao ny kajikajy araka ny voalazan’ny talen’ny orinasa dia tafavoaka ho 2000 ar – 2400 ar ny litatra amin’io gazoala io rehefa alefa eny an-tsena. Vaovao tsara izany raha mahita ny fiakaran’ny solika eto Madagasikara, ary tsy vao ny orinasa Eco Malagasy Plast no nitrandraka azy saingy misy sakana maromaro tsy maintsy dinganina hoy Frank Andrianjanahary vao afaka mamoaka io solika artifisialy io ny orinasa ka anisan’izany ny any amin’ny ministera tompon’andraikitra.

eco plactic4

Famoronana orinasa sy asa

Tamin’ny fitsidihany firenena tany Afrika no niofanan’ny mpitantana ny fanodinana ny akora plastika hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro. Hevitra tsara tokoa araka izany ny fisian’ny orinasa izay manodina ireo fako tsy ilaina toy izao nefa manimba ny tontolo iainana, ezaka tokony hatao indrindra amin’ny faritry ny renivohitra izay tena be fako plastika ny manavaka ny fako mba ho azo haodina izy ireny fa tsy ho ariariana fotsiny. Amporisihana koa ny fananganana orinasa toy izao sady mamorona asa, mandoa hetra ary mahasoa mpiara-belona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

Basketball 3×3 : la jeunesse malgache à l’épreuve du Challenger de Hengqin

L’équipe d’Antananarivo prendra part au FIBA 3×3 Hengqin Challenger...

Hisser le « Vert-Blanc-Rouge » sur le toit du monde : Le rêve himalayen de Raïs Bouka

Atteindre le sommet du monde, culminant à 8 848,86...

Rugby Festival AROI 2026 : Madagascar réalise un sans-faute à domicile

Antananarivo a accueilli, les 3 et 4 avril, le...