Andravoahangy : Mpiandry fonja nanao fanafihana orinasa niaraka taminà jiolahy telo hafa

Date:

Jiolahy miisa telo no voasambotry ny zandary ka ny iray amin’ireo dia mpiandry fonja mbola amperinasa. Mbola nisy namany iray saingy maty voatifitra nandritra ny fisamborana azy tany Alakamisy Fenoarivo. Araka ny fanambaràna nataon’ny Zandarimariam-pirenena dia nisy nanafika ny orinasa iray tetsy Andravoahangy ny 17 septambra lasa teo ka araka ny sary voarakitra tao amin’ny « caméra de surveillance » dia lehilahy dimy nitondra kalachnikov sy basy poleta miisa roa no hita tao sady tsy nisaron-tava.

Rehefa nojeren’ny zandary akaiky ny sary dia fantatr’izy ireo ny iray tamin’ireo olona tao ka nahafahana nanafaingana ny fikarohana ka anisan’izany ilay mpiandry fonja. Io no voasambotra voalohany ny faha 12 ny volana oktobra ka avy eo dia izy indray no nanondro ny namany izay nipetraka tany Fenoarivo. Nidina tany an-toerana izy ireo hanao ny fisamborana kanefa vao nahita izany ireto dia nitsoaka nandositra sady nitifitra. Namaly izany tifitra izany ny zandary ka voa avy hatrany ny iray tamin’ireo jiolahy telo ary maty teo noho eo.

basy

Rehefa nojerena akaiky dia fantatra ity lehilahy ity fa anisan’ny malaza amin’ny fakàna an-keriny ireny teratany indiana sy fanafihana mitam-piadiana. Ary mbola migadra mihitsy saingy toa tafavoaka ny fonja. Ireo roa ambiny kosa nilavo lefona ary nahatrarana « pistolet automatique » sy bala anankiroa tany aminy

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Partager sur :

Newsletters
spot_imgspot_img

Articles récents

More like this
Related

TVM à Madagascar : Plus que 36 jours avant l’échéance, la grogne des automobilistes s’intensifie

Les propriétaires de véhicules à Madagascar n'ont plus que...

PLFR 2026 : une taxation ciblée de 5,5 % pour le riz de luxe importé

Le Projet de Loi de Finances Rectificative (PLFR) 2026...